Bokin'i Jeremia 49:8
Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin’ ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an’ i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 49
Cross References
Judges 6:2ary ny tanan’ ny Midiana dia nahery tamin’ ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran’ ny Zanak’ Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin’ ny fiarovana.
Isaiah 2:21Mba hidirany eo amin’ ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Jeremiah 6:1Hianareo, zanak’ i Benjamina, mandosira faingana hiala an’ i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’ afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
Jeremiah 46:21Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodìna ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
Jeremiah 48:28Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ ny hantsana ianao.
Jeremiah 49:30Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin’ ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.