Bokin'i Jeremia 5:3
Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
Cross References
Leviticus 26:23Any raha tsy mandray ny anatro amin’ izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
2 Chronicles 16:9Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psalms 51:8Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.
Proverbs 21:29Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
Proverbs 23:35Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?