The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 50 › Bokin'i Jeremia 50:34

Bokin'i Jeremia 50:34

Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Their Redeemer is strong; the LORD of hosts is his name: he shall throughly plead their cause, that he may give rest to the land, and disquiet the inhabitants of Babylon.

In Context

33Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.

35Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin’ ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah.

Read all of Bokin'i Jeremia 50

Cross References

Exodus 6:6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.

Psalms 43:1Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin’ ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.

Proverbs 23:11Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.

Isaiah 41:14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.

Isaiah 44:6Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 50:34

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 50:33Bokin'i Jeremia 50Bokin'i Jeremia 50:35 →