Bokin'i Jeremia 51:1
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ ny mpandringana hamely an’ i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Isaiah 13:3Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
Isaiah 14:14Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
Isaiah 47:1Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
Jeremiah 49:36Ary hitondra Avotra efatra avy amin’ ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an’ i Elama, ary haeliko ho amin’ izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan’ ny voaroaka avy any Elama.
Jeremiah 50:14Milahara manodidina hamely an’ i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin’ i Jehovah no nanotany.
Jeremiah 50:24Nofandrihako ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa ianao, Satria nila ady tamin’ i Jehovah.