Bokin'i Jeremia 51:13
Hianao izay monina eny amoron’ ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Genesis 6:13Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.
Isaiah 45:3Dia homeko anao ny rakitra ao amin’ ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
Jeremiah 50:27Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin’ ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
Jeremiah 50:37Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
Lamentations 4:18Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
Daniel 5:26Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan’ Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’ izao;