Bokin'i Jeremia 52:31
Ary tamin’ ny andro fahadimy amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona vao nanjakan’ i Evila-merodaka, mpanjakan’ i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan’ ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Genesis 40:20Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
Job 22:29Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
Psalms 27:6Koa dia hisandratra ambonin’ ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an’ i Jehovah aho.