Bokin'i Jeremia 52:33
Ka dia novan’ i Joiakina ny fitafiany fony izy mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin’ ny andro niainany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Genesis 41:14Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
2 Samuel 9:7Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.
1 Kings 2:7Fa ny zanak’ i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan’ izay mihinana eo amin’ ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ ireo tany amiko, fony nandositra an’ i Absaloma rahalahinao aho.
Isaiah 61:1Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,