Bokin'i Jeremia 52:8
Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra an’ i Zedekia teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Jeremiah 21:7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Jeremiah 34:21Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy ary eo an-tànan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.
Jeremiah 38:23Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin’ ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ ny afo.
Lamentations 4:19Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
Ezekiel 17:20Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
Amos 9:1Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin’ ny lohan’ izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.