Bokin'i Jeremia 6:28
Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 19:16Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah.
Psalms 50:20Mipetraka miteny ratsy ny rahalahinao ianao, sady manendrikendrika ny zanakalahin-dreninao.
Isaiah 1:4Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Jeremiah 5:23Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodìna izy ka lasa,
Jeremiah 7:28Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon’ i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin’ ny vavany.
Jeremiah 9:4Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin’ ny fanaovan-dratsy.