Bokin'i Jeremia 6:5
Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’ alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Arise, and let us go by night, and let us destroy her palaces.
In Context
Cross References
Psalms 48:3Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.
Jeremiah 9:21Ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
Jeremiah 52:7Ary nisy voabanga ny tanàna, dia nandositra alina ny miaramila rehetra ka niala tao an-tanàna tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
Hosea 8:14Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny.
Amos 3:10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.