Bokin'i Jeremia 6:7
Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 55:9Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
Isaiah 1:6Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.
Isaiah 59:6Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
Jeremiah 20:8Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’ i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan’ andro.
Jeremiah 30:15Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
Ezekiel 7:23Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin’ ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.