Bokin'i Jeremia 7:10
Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin’ ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 21:4sady nanao alitara tao an-tranon’ i Jehovah koa izy, dia tao amin’ izay nolazain’ i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
2 Chronicles 33:7Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon’ Andriamanitra, izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;
Proverbs 15:8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
Isaiah 48:2Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Jeremiah 7:11Moa ataonareo ho zohy fieren’ ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
Jeremiah 7:30Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.