Bokin'i Jeremia 7:2
Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
Cross References
Proverbs 1:20Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
Isaiah 1:10Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Jeremiah 10:1Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!
Jeremiah 19:2dia mivoaha ho any amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izay eo anoloan’ ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,
Jeremiah 22:1Izao no lazain’ i Jehovah: Midìna any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
Jeremiah 28:5Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ i Jehovah,