Bokin'i Jeremia 7:20
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin’ ity tany ity, dia amin’ ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Moa Izaho va no ampahasosorin’ ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
Cross References
Leviticus 26:28dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
Isaiah 42:25Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ ny fony
Jeremiah 4:23Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
Jeremiah 12:4Mandra-pahoviana no hisaonan’ ny tany sy hahalazoan’ ny ahitra any amin’ ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
Jeremiah 17:4Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
Jeremiah 42:18Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.