The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 7 › Bokin'i Jeremia 7:23

Bokin'i Jeremia 7:23

Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin’ ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

But this thing commanded I them, saying, Obey my voice, and I will be your God, and ye shall be my people: and walk ye in all the ways that I have commanded you, that it may be well unto you.

In Context

22Fa tsy ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin’ ny razanareo na nandidiako azy tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;

24Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.

Read all of Bokin'i Jeremia 7

Cross References

Exodus 15:26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.

Exodus 19:6Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masìna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.

Leviticus 26:12Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.

Deuteronomy 4:40Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

Deuteronomy 5:29Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;

Deuteronomy 6:3Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 7:23

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 7:22Bokin'i Jeremia 7Bokin'i Jeremia 7:24 →