Bokin'i Jeremia 7:28
Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon’ i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin’ ny vavany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 12:2Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
Proverbs 1:7Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
Isaiah 30:9Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’ i Jehovah,
Jeremiah 2:30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
Jeremiah 5:3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Jeremiah 6:28Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.