Bokin'i Jeremia 7:3
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ ity tany ity ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’ i Jehovah, tempolin’ i Jehovah, Tempolin’ i Jehovah ity.
Cross References
Ezra 10:11Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
Isaiah 1:16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Isaiah 55:7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Jeremiah 7:5Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ olona amin’ ny namany ianareo,
Jeremiah 18:11Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
Jeremiah 35:15Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin’ ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo, ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin’ ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.