Bokin'i Jeremia 7:30
Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 21:4sady nanao alitara tao an-tranon’ i Jehovah koa izy, dia tao amin’ izay nolazain’ i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
2 Kings 23:4Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
2 Chronicles 33:4sady nanorina alitara tao an-tranon’ i Jehovah, dia tao amin’ ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ ny anarako mandrakizay.
2 Chronicles 33:15Dia nesoriny ireny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon’ i Jehovah mbamin’ ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’ i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan’ ny tanàna.
Jeremiah 32:34Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
Ezekiel 7:20Fa ny firàvany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.