Bokin'i Jeremia 7:31
Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 20:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Deuteronomy 17:3ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
Joshua 15:8dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,
2 Kings 23:10Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka intsony.
2 Chronicles 28:3Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin’ ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
Psalms 106:37Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;