Bokin'i Jeremia 7:32
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:30Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ ny fatin’ ny sampinareo, ary ho halan’ ny fanahiko ianareo.
Jeremiah 7:31Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin’ ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
Jeremiah 19:11ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
Jeremiah 31:40Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin’ ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin’ ny zoron’ ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masìna ho an’ i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
Ezekiel 6:5Ary ny fatin’ ny zanak’ Isiraely hataoko eo anoloan’ ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.