Bokin'i Jeremia 8:13
Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:39Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin’ ny fositra ireny.
Isaiah 5:4Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Isaiah 24:21Ary amin’ izany andro izany dia any an-danitra no hamalian’ i Jehovah ny antokon’ ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ ny tany.
Jeremiah 14:15Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo mpaminany izay maminany amin’ ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Ezekiel 22:19Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo.
Ezekiel 24:3Ary milazà fanoharana amin’ ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;