Bokin'i Jeremia 8:2
ka haeliny eo anatrehan’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 17:3ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
2 Kings 9:37Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
2 Kings 21:3Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy ka nanompo ireny,
2 Kings 23:5Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
Psalms 83:10Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
Ecclesiastes 6:3Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.