Bokin'i Jeremia 8:7
Na dia ny vano eny amin’ ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’ androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 6:6Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
Isaiah 1:3Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
Jeremiah 4:22Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
Jeremiah 5:5Handeha ho any amin’ ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan’ i Jehovah sy ny fitsipik’ Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
Habakkuk 1:4Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ ny fitsarana miangatra.