The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 9 › Bokin'i Jeremia 9:2

Bokin'i Jeremia 9:2

Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin’ ny tany; Fa mandroso amin’ ny ratsy ka hatramin’ ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Oh that I had in the wilderness a lodging place of wayfaring men; that I might leave my people, and go from them! for they be all adulterers, an assembly of treacherous men.

In Context

1Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran’ ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.

3Samia miaro tena amin’ ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.

Read all of Bokin'i Jeremia 9

Cross References

Judges 2:10Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’ i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.

Psalms 55:7Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;

Isaiah 59:3Fa ny tananareo dia voaloto amin’ ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.

Jeremiah 5:1Miveziveze eny an-dalamben’ i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’ i Jerosalema.

Jeremiah 5:7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin’ izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga.

Jeremiah 12:6Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 9:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 9:1Bokin'i Jeremia 9Bokin'i Jeremia 9:3 →