Bokin'i Joba 1:16
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’ Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’ osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 9:28Mangataha amin’ i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
Leviticus 10:2Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’ i Jehovah izy.
1 Samuel 14:15Koa nisy hovitra tao amin’ ny toby tany an-tsaha sy tamin’ ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin’ ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin’ Andriamanitra.
2 Kings 1:10Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
2 Kings 1:14Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin’ ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
Amos 7:4Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.