Bokin'i Joba 1:17
Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 11:28Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’ i Tera rainy tany amin’ ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ ny Kaldeana.
2 Samuel 1:3Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin’ ny tobin’ ny Isiraely aho.
Isaiah 23:13Indro ny tanin’ ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ ny Asyriana fonenan’ ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.