Bokin'i Joba 1:19
ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 42:36Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
Jeremiah 4:11Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
Luke 13:1Ary tamin’ izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’ i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon’ i Pilato tamin’ ny fanatiny ny ràny.
Ephesians 2:2izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;