Bokin'i Joba 1:3
Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
Cross References
Genesis 12:16Ary Abrama nasian’ i Farao soa noho ny amin’ i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
Genesis 24:35Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
Genesis 29:1Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.
Genesis 34:23Tsy ho antsika va ny omby aman’ ondriny sy ny fananany mbamin’ ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
Numbers 31:32Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ ny mpanafika, dia ondry aman’ osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
Judges 6:5fa niakatra izy nitondra ny omby aman’ ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin’ ny tany izy handrava azy