The Bible Software
bible.software › Bokin'i Joba › Bokin'i Joba 1 › Bokin'i Joba 1:6

Bokin'i Joba 1:6

Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Now there was a day when the sons of God came to present themselves before the LORD, and Satan came also among them.

In Context

5Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’ izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’ Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’ i Joba mandrakariva.

7Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’ i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.

Read all of Bokin'i Joba 1

Cross References

Genesis 6:2dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.

1 Kings 22:19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.

Job 2:1Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.

Job 38:7Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?

Daniel 3:25Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ ireo andriamanitra.

Matthew 18:10Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Joba 1:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Joba 1:5Bokin'i Joba 1Bokin'i Joba 1:7 →