Bokin'i Joba 10:12
Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast granted me life and favour, and thy visitation hath preserved my spirit.
In Context
11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
Cross References
Genesis 19:19indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
Matthew 6:25Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
Acts 17:28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.