Bokin'i Joba 10:14
Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If I sin, then thou markest me, and thou wilt not acquit me from mine iniquity.
In Context
13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
Cross References
Exodus 34:7mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Job 7:21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Job 13:26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
Job 34:22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
Psalms 130:3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
Jeremiah 16:17Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin’ ny tavako izany, ary tsy takona amin’ ny masoko ny helony.