Bokin'i Joba 10:16
Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 16:29Raha maty toy ny fahafatin’ ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
Job 5:9Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
Job 16:9Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
Jeremiah 5:6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
Hosea 5:14Fa amin’ i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin’ ny taranak’ i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
Amos 3:8Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?