Bokin'i Joba 11:14
Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If iniquity be in thine hand, put it far away, and let not wickedness dwell in thy tabernacles.
In Context
13Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
15Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
Cross References
2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
Job 8:6Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,
Job 22:23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
Psalms 101:2Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho.
Ezekiel 18:30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
James 4:8Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.