Bokin'i Joba 12:24
Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
25Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
Cross References
Job 17:4Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
Psalms 107:4Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
Isaiah 6:9Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
Daniel 4:12Nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ ny biby any amin’ ny ahitra amin’ ny tany;
Daniel 4:16Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’ izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’ izay fahavalonao.
Hosea 7:11Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria.