Bokin'i Joba 12:6
Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaniny
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 9:24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
Job 21:7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
Job 24:23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
Psalms 37:1Nataon’ i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
Psalms 73:3Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy.
Jeremiah 5:27Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.