Bokin'i Joba 12:7
Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 1:25Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
Job 21:29Kanefa tsy mba nanontany tamin’ ny mpandeha amin’ ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran’ Ireo hoe:
Proverbs 30:24Izao zavatra efatra izao dia kely amin’ ny etỳ ambonin’ ny tany, Nefa hendry sady mahay:
Jeremiah 8:7Na dia ny vano eny amin’ ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’ androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’ i Jehovah.