Bokin'i Joba 13:15
Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Though he slay me, yet will I trust in him: but I will maintain mine own ways before him.
In Context
14Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.
16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
Cross References
Job 7:6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
Job 13:3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
Job 16:17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Job 23:10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Job 31:31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?