Bokin'i Joba 13:16
Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He also shall be my salvation: for an hypocrite shall not come before him.
In Context
17Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ ny sofinareo ny filazàko.
Cross References
Exodus 15:2Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
Job 27:8Fa inona no fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka tsoahan’ Andriamanitra ny fanahiny?
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?
Psalms 118:14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
Isaiah 12:1Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
Jeremiah 3:23Foana tokoa ny horakoraka any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’ i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.