Bokin'i Joba 16:19
Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Also now, behold, my witness is in heaven, and my record is on high.
In Context
18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
20Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho,
Cross References
Genesis 31:50Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
Job 25:2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy.
Romans 1:9Fa Andriamanitra, Izay tompoin’ ny fanahiko amin’ ny filazantsaran’ ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
2 Corinthians 1:23Ary izaho miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
1 Thessalonians 2:5Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);