Bokin'i Joba 16:3
Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Shall vain words have an end? or what emboldeneth thee that thou answerest?
In Context
2Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
Cross References
Job 6:26Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo.
Job 15:2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va,
Job 27:12Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
Matthew 22:46Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’ izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Titus 2:8ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.