Bokin'i Joba 16:4
Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
Cross References
Job 6:2Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako!
Job 11:2Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
Psalms 22:7Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka.
Psalms 44:14Ataonao fandatsan’ ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’ izay manodidina anay.
Proverbs 10:19Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
Jeremiah 18:16Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.