Bokin'i Joba 16:9
Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
Cross References
Job 6:4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
Job 13:24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
Job 18:4Ry ilay mamiravira tena amin’ ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ ny fitoerany?
Psalms 35:16Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
Psalms 50:22Mihevera izany ankehitriny, ianareo izay manadino an’ Andriamanitra, fandrao hamiravira Aho, ka tsy hisy hamonjy.
Lamentations 3:10Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ ny fierena;