Bokin'i Joba 17:3
Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Lay down now, put me in a surety with thee; who is he that will strike hands with me?
In Context
2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
4Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
Cross References
Genesis 43:9Izaho no hiantoka azy; amin’ ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ ny andro rehetra hiainako aho;
Job 5:1Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao?
Psalms 119:122Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
Proverbs 11:15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
Proverbs 20:16Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon’ ny vahiny niantohany.
Isaiah 38:14Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.