Bokin'i Joba 19:8
Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin’ ny lalana alehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He hath fenced up my way that I cannot pass, and he hath set darkness in my paths.
In Context
7Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
9Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
Cross References
Joshua 24:7Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
Job 30:26Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
Proverbs 4:19Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
Isaiah 59:9Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
Jeremiah 23:12Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
Lamentations 3:7Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.