Bokin'i Joba 2:11
Ary rehefa ren’ ny sakaizan’ i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 25:2Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.
Genesis 36:15Izao no loham-pirenena tamin’ ny taranak’ i Esao: ny zanakalahin’ i Elifaza, lahimatoan’ i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
Genesis 37:35Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ ny zanako any amin’ ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
1 Chronicles 1:32Ary ny zanakalahin’ i Ketora, vaditsindranon’ i Abrahama. Izy no niteraka an’ i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin’ i Joksana dia Sheba sy Dedana.
Job 4:1Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
Job 6:19Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy;