Bokin'i Joba 2:6
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the LORD said unto Satan, Behold, he is in thine hand; but save his life.
In Context
Cross References
2 Chronicles 18:21Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
Job 1:12Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
Psalms 65:7Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy.
Luke 12:23Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
1 Corinthians 10:13Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
Revelation 20:1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany;