Bokin'i Joba 20:28
Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The increase of his house shall depart, and his goods shall flow away in the day of his wrath.
In Context
27Hambaran’ ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
29Izany no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lova voatendrin’ Andriamanitra ho azy.
Cross References
2 Kings 20:17Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
Job 20:10Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
Job 21:30Amin’ ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
Job 31:12Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
Zephaniah 1:18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.
James 5:1He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.