Bokin'i Joba 20:6
Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Though his excellency mount up to the heavens, and his head reach unto the clouds;
In Context
7Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
Cross References
Genesis 11:4Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika.
Daniel 4:11Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin’ ny rantsany.
Amos 9:2Na dia mibosesika ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy.
Obadiah 1:4Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.