Bokin'i Joba 22:13
Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And thou sayest, How doth God know? can he judge through the dark cloud?
In Context
12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
Cross References
Job 34:22Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
Psalms 59:7Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
Psalms 73:11Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
Psalms 139:7Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Jeremiah 23:24Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
Ezekiel 9:9Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’ ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran’ olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.