Bokin'i Joba 23:11
Ny tongotro nifikitra tamin’ ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
My foot hath held his steps, his way have I kept, and not declined.
In Context
10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
12Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.
Cross References
1 Samuel 12:2Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
Job 17:9Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
Psalms 17:5Ny diako maharitra eo amin’ ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
Psalms 18:22Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
Psalms 44:18Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
Psalms 125:5Fa izay mivily ho amin’ ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’ i Jehovah miaraka amin’ ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.